Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fanafihana “mobile money” – Telo lahy tratran’ny polisy

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny polisy any Toamasina amin’ny fikarohana ireo mpanao ratsy any an-toerana. Sarona ihany ireo jiolahy miisa telo mpanao fanafihana mitam-basy mampihorohoro ny tananan’i Toamasina rehefa nokarohina ela. Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po dia voasambotra ny fiandohan’ny herinandro teo, teny Bazar kely izy ireo. Mbola sarona niaraka tamin’izy ireo ny fitaovam-piadiana fitondra manao ny asa ratsy. Izy ireo ihany koa izay anisan’ny voatonotonona amin’ny fanafihana misesisy ireo mpanao “mobile money” tany Toamasina. Noentina avy hatrany natao famotorana teny amin’ny biraon’ny polisy izy telo lahy ireto ary niaiky ny heloka vitany avokoa. Mbola nandritra ny fakana am-bavany azy ireo hatrany no nahalalana fa misy naman’izy ireo mbola mihaodihaody any an-toerana. Mitohy ny fikarohana ireo namany hafa.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre