Ady amin’ny dahalo – Usad iray no namoy ny ainy
Zandary iray avy ao amin’ny Usad (unité spécialé anti dahalo) no namoy ny ainy omaly maraina raha nifanehitra tamin’ny malaso avy nandrava omby 60 tao amin’ny tanànan’i Beraketa ao amin’ny distrikan’Iakora. Nampiseho ny heriny tokoa ireto farany, izay sady maro an’isa satria mananika ny 100 izy ireo. Tao ireo nitondra basy, nisy koa ireo nitondra zava-maranitra samihafa tamin’izany. Nijanona ho mpijery fotsiny, noho izany ireo tompon-tanàna nanoloana ny fandrobana natao azy ireo. Nanararaotra nampiasa ny heriny, araka izany, ireo jiolahy tamin’ny fanapoahana basy sy fampisehoana izany ho tazan’ireo tompon-tanàna. Teo anatrehan’izany, nampandre ny mpitandro filaminana no hany azon’izy ireo natao. Nalefa mba hanara-dia ireo omby very sy hanenjika ireo olon-dratsy moa ny Usad satria napetraka mba hiady amin’ny fanafihan-dahalo tahaka izao izy ireo. Tokony ho tamin’ny 9ora maraina no nifankatratra ny roa tonta ka raikitra ny fifandonana. Nandritra izany no nahafaty ny zandary iray an’ny Usad sy ireo roa hafa naratra teo amin’ny feny sy ny tongony. Fantatra fa dahalo manodidina ny 10 teo ihany koa no namoy ny ainy tao anaty fifandonana. Efa nalefa nitsabo tena moa ireo naratra, ny ambiny kosa manohy ny fikarohana ireo dahalo. Omaly, ihany dia nisy tompon’andraikitra ambony roa eo anivon’ny zandarimaria tonga nidina tany an-toerana.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







