Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ivato – Mpangalatra môtô roalahy niharan’ny fitsaraham-bahoaka

Roalahy vao erotrerony no tra-tehaka nangalatra môtô teny Ivato. Niharan’ny fitsaraham-bahoaka izy ireo. Notontain’ny olona tamin’ny vato be ny mason’ ny iray tamin’izy ireo ka goaka be mihitsy sady torana tsy nahatsiaro tena.

Vaky be ny loha, nizihitra sady nibontsina. Nivoa-dra ny sofina sy ny orona ary ny maso izay hifotra tanteraka satria notontain’ny olona tamin’ny vato be. Nalemy tsy afa-nitsangana tao anaty minitra vitsy ireo lehilahy miisa 2 tratra nangalatra môtô, teny Ivato, ny alin’ny alatsinainin’ny paska lasa teo. Niharan’ny fitsaraham-bahoaka izy roalahy ireo ary nanamparan’ny fokonolona teny an-toerana ny fahatezerany. Vy, hazo ary vato be no namelezan’ny mponina azy ireo ka raparapa mihitsy ny tarehy. Ny iray izay goaka mihitsy ny masony rehefa notontain’ny olona ny vato be ary torana tsy nahatsiaro tena avy eo.

Saika ratsy fiafara ireto mpangalatra ireto raha tsy nisy zandary nahita, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nanakana ny fahatezeran’ireo fokonolona ireo ny mpitandro filaminana ka nanavotra ireo jiolahy ary nitondra azy ireo teny amin’ny hopitaly Hjra.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre