Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Tsy mandry ny tany !

Tsaroana ireo boky novakiana fahiny mikasika ireny tolom-panafahana nataon’ny mpitolona tao amin’ny Mdrm ireny, izay nosoratan’ireo mpitolona ihany ankamaroany. Voalaza amin’ny antsipirihany ao anatin’ireny ny sedra mamaivay nihatra tamin’ny Malagasy nandritra ny fotoanan’ny fanjanahan-tany izay sady nihatra ara-nofo ka namoizana ny aina mihitsy ary nandalo ireo fanangolena ara-tsaina. Firy marina tokoa moa ny Malagasy novonoina tamin’izany fotoana izany ? Mety nisy vitsivitsy na maromaro no nampandalovina sarintsarim-pitsarana ka tsy maintsy niafara tamin’ny fanamelohana ho faty, ary dia notanterahin’ireo miaramilan’ireo voanjo mpanjanaka tokoa izany. Ny ampahany betsaka kosa anefa dia natao toy ireny biby ireny ka tsy nilàna fiampangana fa tonga dia ny basy maro vava no mipoaka. Tsy mandry ny tany no nilazana ireo mpitolona tamin’izany fotoana izany. Ary dia tsy mandry tokoa anie ny tany satria eo aloha ny tsy maintsy hiafenan’ ny vazaha sy ny senegaly mpanatanteraka baiko izay tena natahorana tokoa. Fa eo indrindra ihany koa ireo mpiray tanindrazana, iray rà amin’ny tena kanefa dia mahay misolelaka amin’ny mpanjanaka ka afaka manondro izay tsy tiany bika sy halany tarehy ho rembin’ireto mpiavy tompon’ny fahefana. Ireto farany no voalazan’ny tantara fa nomena ny fahefana raha vao naverina tamin’ny Malagasy ny sarintsarim-pahaleovantena ary dia mbola manjaka hatramin’izao Repoblika faha-efatra izao. 66 taona aty afara dia mazava ny tatitra :  tsy misy na dia governemanta iray aza tsy nanjakan’izy ireo, hany ka mahatsiaro tena ireo valala be mandry fa tsy ho afaka eo ambany vahoan’ireto sokajin’olona ireto mihitsy ny fitantana ny firenentsika. Ka raha izany no izy dia mbola tsy mandry hatrany izany ny tany hatramin’izao. Ary marina tokoa izany satria ny zanak’izy ireo dia tsy mbola nandia ireny sekoly fanabeazana fototra ireny, na ny sekoly ambaratonga faharoa fototra na ihany koa ireo liseam-panjakana. Mazava ho azy fa any amin’ireo sekolim-bazaha no tena ahitana azy ireo, izay raha ny eto Antananarivo fotsiny, ohatra, dia tena zavon-tany tokoa ny isany. Manana safidy maro ireto taranaka voanjo hampidirana ny zanany ka rehefa afaka soa aman-tsara ny bakalorea dia manohy ny fianarana ambony any Lafrantsa any. Ny mahagaga ihany koa dia miverina eto Madagasikara ny ankamaroan’izy ireo ary tena tsy manaiky mihitsy ny hila ravinahitra any am-pita any izany. Mazava ihany koa ny antony : efa hatramin’ny razambeny izy ireo no nonina teto amintsika ary mihevitra mihitsy fa tompon’ny tanàna, ny tany sy ny tanàna rahateo efa lasany. Ny hampaharitra mandrakizay izay fitantanana ireo sehatra iankinan’ny aim-pirenena no tena tanjona ka tsy gaga ny mpandinika araka izany raha tsy hahita fivoarana izany mihitsy ity firenena ity. Dia tena tsy mandry mihitsy ny tany satria tokoa rehefa tena mandalina dia toa ireo vahoaka tsy mandady harona ihany tokoa sy ireo miezaka ny mioitra amin’ny fiainana  no lasibatry ny asa ratsy. Taona vitsivitsy izay, ohatra, dia nisy mpirahavavy iraitampo telo 17, 16, ary 14 taona niharan’ny fanolanana nandritra ny fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimangakely teny. Mety eo ihany ilay hoe vaky trano fa sao dia mba ilay fanolanana mihitsy no tiana hiaviana ? Asa raha mba azon’ny saina eritreretina izany habibiana tsy roa aman-tany mahazo ity fianakaviana ity izany, izay taona maro no isaina vao mety ho afaka hiarina amin’izany fahavoazana manjo azy ireo sy ny fianakaviany izany. Velona tokoa mantsy ny tena amin’izay fotoana izay fa velona hitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy mandra-pahafaty ary dia hitaintaina mandrakariva ireo ray aman-dreny sy ny havana ny amin’ny ho avy. Toy izany koa ny mahazo ireo niharam-boina rehetra, noho ny hetraketraka maro samihafa. Tena tsy mandry tokoa ny tany. Marina ihany koa io amin’ny sehatr’asa rehetra misy eto amintsika, eny fa na dia nahatojo lavitra tamin’ny fianarana aza, ka azo lazaina fa mba mety hanana ho avy mamiratra dia tsy toy izay loatra no hiseho. Satria mbola eo ireo be fikafika, be politika, faly hanambaka sy hanaboto toy ny miseho amin’izao fotoana izao ka ampiasaina ho fitaovana fotsiny ihany ny vahoaka. Maro, ary re ombieny ombieny, indrindra tato ho ato ny filazana fa mahari-pery ny vahoaka kanefa, rehefa tojo ny andro iray dia tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany.

Jean Luc RAHAGA

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre