Mahajanga – Mpamaky trano nifandroritan’ny fokonolona
Tratra ilay jiolahy raindahiny ikoizan’ny fokonolona amin’ny famakiana trano, ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any, tao Manjarisoa any Mahajanga. Nokarohin’ny mpitandro filaminana efa amam-bolana maromaro izy manoloana ny vaky trano nifanesy tany an-toerana ka izao saron’ny fokonolona izao ihany. Tsy namelan’izy ireo mihitsy ilay jiolahy fa nifandroritana avy amin’ny fokontany Aranta ka tsy tratra raha tsy tany Manjarasoa rehefa niditra an-keriny tao an-tokantranon’ny olon-tsotra nikasa hiafina. Noraisim-potsiny, noho izany ilay mpamaky trano.
Nisy anefa ireo nampandre ny mpitandro filaminana teo anelanelan’izay fifanjevoana izay ka fotoana fohy ihany dia nigadona teny an-toerana izy ireo nisambotra ilay olon-dratsy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazany fa ao anaty tambajotra mpamaky trano ny tenany ary efa maro ireo toeram-ponenana no lasibatr’izy ireo. Eo am-pelantananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo namany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







