Anosy – Mpamily nandositra nifatratra tamin’ny fiara iray hafa
Tovolahy iray vao erotrerony nitondra fiara, no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, teny Anosy, omaly, tamin’ny 6ora hariva, nanoloana ny lapan’ny Fitsarana. Nandona taksibe avy any Anosy izy ary tsy nijanona fa nitsoaka avy hatrany. Teny am-pitsoahana iny indrindra anefa ranamana no nifatratra tamin’ny kamiao kely marika Forland. Nangalatra havanana izy rehefa nikasa hisitrika ho any amin’ny tribonaly, araka ny loharanom-baovao ka nahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Voatery nijanona ny tenany nefa mbola nanao avo vava indray rehefa noresahana. Tezitra tamin’izany fihetsiny izany ny olona satria izy efa nanao ny tsy mety indray no tsy manaiky ho diso. Nitolefika ihany ny anao lahy natahotra ny hiaran’ny hatezeran’ny fokonolona rehefa niakatra ny hafanam-pon’ireo vahoaka nanatri-maso ny loza.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







