69 taona nitsingerenan’ny tolom-panafahana – Lasa tsy misy vidiny ny ra latsaka, hoy ireo Bekotromaroholatra
“Ny olombelona mandalo, ny tantara tsy fanadino, Tiavo ny Tanindrazanao, arovy sy vimbino”, io no hafatr’ireo Bekotromaroholatra, any Mahajanga nandritra ny fankalazana ny faha-69 taona nitsingerenan’ny tolom-panafahana 29 martsa 1947, tany amin’ny renivohitr’i Boeny, ny talata lasa teo.
Tsy nitsitsy aina ireo mpitolona mba hananan’ny taranak’izy ireo ny fahaleovantena. Ankehitriny anefa toa tsy misy vidiny ny rà latsaka tamin’izany raha mandinika ny manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izy ireo. Araka ny fitantaran’ireo vavolombelona telo sisa, any Mahajanga, izay anisan’ireo niaina ny ady tamin’izany fotoana izany.
“Na ny fampanajana sy ny fanatrehana ny lanonan’ny 29 martsa fotsiny aza dia tsy maro amintsika Malagasy ankehitriny no manao izany. Ireo olom-panjakana sy miaramila ihany no tonga maro manatontosa izany isan-taona, ankoatra ireo mpino vitsivitsy, sy ireo be antitra. Tsy misy akory ezaka na dia kely aza, avy eny anivon’ny fokontany, na seha-panabezana isan-tsokajiny mampiditra sy mandetika anatin’ny sain’ny ankizy sy ny tanora ny maha sarobidy amintsika io daty io satria vaky lay ny Fahafahana, ary rà sy aina Malagasy latsaka no vidiny”, hoy ireo Bekotromaroholatra.
Nangonin’I L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







