2 aprily 1969- 2 aprily 2016 – 47 taona nandraisana ny fitantanana ny Zandarimariam-pirenena
Feno 47 taona ny nandraisan’ny Malagasy ny fitantanana ny Zandarimariam-pirenena. 2 aprily 1969, fotoana izay nanomezan’ny Filoham-pirenena Philbert Tsiranana ny sainam-pirenena Malagasy an’i lietna kolonely Richard Ratsimandrava, malagasy voalohany nandray ny fitantanana ny zandarimaria teto Madagasikara, tamin’ny Repoblika voalohany. « Ho fahatsiarovana izany daty izany no antony ankalazana isan-taona ny andron’ny 2 aprily, mba hampisehoana ny zava-bitan’ny zandary nandritra ny taona lasa sy ny ezaka mbola eritreretina hatao amin’ny ho avy », hoy ny Komanda Herilala Andrianarisaona, miandraikitra ny serasera eny amin’ny zandarimaria. « Ny zandarimariam-pirenena, raharaham-panjakana mivelatra, manana tamberin’andraikitra manoloana ny vahoaka », io no lohahevitra nanamarihana ny andron’ny zandarimariam-pirenena tamin’ity taona 2016 ity.
Omaly, voalohan’ny volana aprily no nisantarana ny fankalazana tamin’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, teny amin’ny Tranom- bokim-pirenena, eny Anosy. Taorian’izay dia nisy ny fampirantiana ny tantara niorenan’ny Zandarimariam-pirenena sy fampisehoana nataon’ny Gsis, teny amin’ny hôtel Carlton sy ny tranoben’ny Ortm. Ankoatra izay, hisy trano eva azo tsidihina mandritra ny telo andro atao eny amin’ny Cirgn (Circonscription inter-regionale de la gendarmerie nationale), ny Fign (Forces d’intervention de la gendarmerie nationale) ary ny Cfs (Commandement de formation spécialisé) mba hampisehoana ny maha izy azy ireo sy ny zava-bitany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







