Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Ambositra – Zazakely roa maty nianjeran’ny trano

Maty nianjeran’ny trano ireo zazakely roa, 5 taona sy 3 taona ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny fiantsonan’ny fiara, tany Alakamisin’ Ambositra. Trano fisakafoanana iray an-dalam-panondrotana amin’ny rihana faharoa no nahatonga ny loza. Teo am-panamboarana indrindra ireo mpandrafitra no nirodana tampoka ny ilany avaratra ka nianjera niaraka tamin’izay ireo mpiasa telo lahy, izay naratra mafy avokoa. voatsindrin’izy ireo tao ireo ankizy kely nilalao teo ambany ary tsy nisy azo natao azy ireo intsony. Ny iray maty teo no ho eo raha toa ka nindaosin’ny fahafatesana tany amin’ny hopitaly ny faharoa. Nianjeran’ny vy sy “beton” no nahafaty azy ireo. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ireo fiara roa nijanona teo izay nianjeran’ny vy sy béton ihany koa. Ny iray nameno mpandeha ho any Soavina. Naratra avokoa ireo olona tao anatiny, araka ny loharanom-baovao. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fizahana ireo tompon’andraikitra raha vao naharay ny vavao. Tsikaritra nandritra izany fa misy ny tsy fanarahan-dalana amin’ny fanamboarana izany trano izany. Mandeha ny fanadihadiana. Ireo marary kosa efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly.

 

Laurena Nany

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre