Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Teraka ihany Ambatobevohoka !

Eritreretin’ny maro fa tsy ho ela dia hifarana ny vanim-potoanan’ny orana eto amintsika satria efa re sahady ny hatsiaka mamirifiry amin’ny alina, amin’ny maraina ary rehefa harivariva iny. Ho an’ny mponina eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra, izany hoe ny ankamaroan’ny fokontany ao amin’ny boriborintany voalohany, fahaefatra, fahadimy ary fahenina dia hiala amin’izay ny tahotry ny ho dibo-drano tampoka, ankoatra ny fahapotehan’ny voka-bary sy ny faharavan’ny asa fiompiana. Toy izany koa ny eny amin’ny faritra avo, toy ny eny Andohalo, Manjakamiadana ka hatrany Andohamandry sy Ambohimitsimbina ary Ambohipotsy iny – eny amin’ny boriborintany faharoa izany -  dia mety tsy hisy intsony ny fihotsahan’ny tany izay nahatonga faharavana maro sy fahafatesan’olona maro be tamin’ny taon-dasa. Raha mihazo ny lalana digue iny ny maro ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia efa hita nanemotra ny arabe ny vary akotry izay tsy maintsy mbola hamainina tsara aloha izay vao azo totoina satria mety ho very sasaka ny ezaka rehetra izay natao raha toa ka maika loatra, kanefa moa indraindray, … ny tsinay koa tsy mba vatsy !

Raha toa ka afa-doza toy izany ny eto amin’ny renivohitr’ilay Gasikara – na mbola tsy azo atao aza aloha ny misioka – dia nisy ary mbola mitoetra ny olana fototra maromaro mianjady amin’ny mponin’Antananarivo. Eo aloha ny tsy fandriam-pahalemana izay mandondona ny isam-baravarana raha tsy efa ao an-trano ny tongotra ilan’ireo jiolahy. Marina tokoa izany satria na mafy toy ny inona ny hidim-baravarana dia tsy mahataitra ireo mpandroba ary tongan’izy ireo tokoa izay efitra rehetra tiany haleha. Tsy mahagaga, araka izany ny fahafantarany ny fisian’ny vola sy ny firavaka ary ny kojakojan-tokantrano rehetra, hany ka aleon’ireo voaroba tonga dia mibaboka manoro izay tian’ireo jiolahy alaina. Ny aina rahateo lahitokana ary ireto izy sady manam-basy no feno habibiana rahateo. Ka raha sendra tara fodiana aloha amin’izao fotoana izao dia aleo lavitra miaritra ny hatsiaka any ampovoan-tanàna any miandry ny ora fandehanan’ny mpiasa – izany hoe aorian’ny amin’ny fito maraina mihitsy – toy izay hanao be saina ny hody ihany kanefa tsy maintsy hifanehatra amin’ny mpanao ratsy. Eny e, hoy ny maro, azo heverina ihany izany hevitra izany ho an’ny lehilahy. Dia mazava amin’ny mpamaky izany ny tiana hambara.

Ny olana ateraky ny fahasarotana mahazo rano ny hazofijaliana faharoa mahazo ny mponina. Ary tena fijaliana iainana andavanandro tokoa moa izany ka vao maika hitombo avo roa heny rehefa tapitra ny fotoanan’ny orana. Mazava ihany koa fa kely ary zara fa mahazo rano ny isan-tokatrano, noho ny tosika tsy ampy sy ny maha ritra ny farihin’i Mandroseza. Ka amin’ny andro fahavaratra aza moa, ora vitsy monja vao mahazo rano, mainka fa amin’ny maintany. Mila mamono andro mihitsy ny tena ho an’ireo tsy maintsy maka rano eny amin’ny paompy fa ankoatra izay dia mila ihany koa miaritra ny esoeson-tenin’ireo izay voatondro hiahy izany paompy izany. Filaharana lava be tokoa no tazana eny amin’ireny toerana ireny ary tsy misy fotoana – afa-tsy ny alina angaha – tsy ahitana izany. Lojika, araka izany raha tsy zarizary ny fahadiovan’ny mponina, ary mazava ihany koa fa manaraka an’izay fironana izay ihany koa ny fahadiovan’ny tanàna. Tsy tokony hila voa tsy ho ary ireo mpitantana ny tanàna ka hibedibedy ny mponina sy hilaza fa hoe Ravoretra satria ny rano aza, antoky ny fahadiovana, tsy maintsy ezahina mafy ny hitsitsy azy. Ny vidiny rahateo midangana izay tsy izy ary tsy misy tokantrano tsy mitaraina amin’ny fandaniana tsy maintsy atao amin’ny fividianana rano. Lojika ihany koa raha maloto avokoa izay toerana alehanao eto Antananarivo ary manjaka ho azy ny voalavo, ny parasy mbamin’ny haofotsy sy ny kadradraka. Io ilay hazofijaliana fahatelo baben’ny vahoaka satria mora andairan’ny aretina rehefa marefo ny fahasalamana. Saingy raha izay kohaka tsotsotra sy aretin’an-doha kosa aloha dia aleon’ny maro tsy mitaraina fa ny fandriana no vonjena moramora. Rehefa mihamafy kosa anefa ny fanaviana dia tsy maintsy mba mamoaka vola kely am-paosy ihany hividianana paracétamol sy antibiotika eo amin’ny mpivarotra kely anatinaty fokontany eo. Miezaka ihany manantona dokotera rehefa tsy vitan’izay kanefa kely ny finoana ny hiverenan’ny fahasalamana haingana, noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana. Ny ho an’ny hopitaly kosa aloha dia efa ela Ramalagasy no nivoady fa tsy mba hamonjy an’ireny intsony raha tsy hoe angaha efa lafo ny tanimbary sy ny tranon-drazana any ambanivohitra any no sady resy lahatra fa kinga ireo mpitsabo. Kanefa io efa iarahantsika mahita io ny zava-miseho amin’ireny hopitalim-panjakana ireny fa dia vola be tokoa no laniana kanefa mahakivy ny vokatra.

Fehiny, mbola lavitra ezaka tokoa izany fiadanan’ny ambanilanitra izany raha eto amintsika satria mbola vao ny vitsivitsy amin’ny olana sedrain’ny vahoaka isan’andro ireo voalaza ireo ary aty an-tanan-dehibe fotsiny ihany koa. Fa raha ireto ekipan’ny governemanta amin’izao fotoana izao ireto aloha no andrasana hitondra fanatsarana dia ho teraka ihany i Ambatobevohoka !

Jean Luc RAHAGA

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre