Vangaindrano – Dahalo 70 isa nanafika magazay roa, olona iray voatifitra
Nahazo vahana indray ny asan-dahalo any amin’ny distrakan’i Vangaindrano, rehefa nangingina teo aloha teo. Nanao be fiavy ireo olon-dratsy niditra ny tanànan’i Ranomena, ny faran’ny volana martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any. Nipoapoaka ny feom-basy, tao amin’ny fokontany Bekopaka, kaominina Ranomena, distrikan’i Vangaindrano.
Andian-dahalo miisa 70 nirongo basim-borona sy kalachnikov no tonga nanafika io tanàna kely io. Saika samy namitsaka tao an-tranony avokoa ireo fokonolona raha vao naheno ny firefodrefotry ny basy. Vokany, mangazay roa no norobain’ireo malaso izay an’ny Ben’ny tanàna any an-toerana ny iray amin’ izany ary mbola tsy voafaritra ireo entana very. Tsy nionona tamin’izany anefa izy ireo fa mbola nandripaka omby maherin’ny 30 tao am-bala.
Vao azon’izy ireo izay nilainy dia niezaka nivoaka ny tanàna izy rehetra, nanesy ireo omby sy nitondra ireo entana halatra sady mbola nanapoaka basy hatrany. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ny fanafihana fa olona iray sendra nivoaka ny tranony no naratra voatifitra.
Nampandre ny zandary avy hatrany kosa ireo lasibatra vantany vao lasa lavidavitra ireo mpanafika. Nidina teny an-toerana izy ireo nanao ny fizahana ary nitohy tamin’ny fanarahan-dia izany. Tsy lasa lavitra anefa dia nifandona ny roa tonta ka raikitra ny fifampitifirana. Tsy naharesy tosika ireo zandary sy ireo fokonolona ireo mpangalatra ka vaky nandositra sady namela ireo omby. Tafaverina, noho izany, ny omby 33 isa raha toa ka maty nandritra ny fifandonana ny roa.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







