Faritra Androy – Nametrahana paompin-drano miisa 40
Tena mila rano ny faritra Androy nefa sarotra ny fahazoana izany. Ho fanamaivanana ny fahazoan’ireo mponina any an-toerana rano fisotro madio dia nametraka paompin-drano miisa 40 any an-toerana ny fanjakana Malagasy, hanampiana ireo efa nisy. Hatreto anefa mbola 20 amin’ireo ihany no nahitana rano, izay manambara fa tsy mora ny mitady rano amin’ iny faritra Androy iny. Tafiditra amin’ny fandaharan’asa amin’ny fanomezana rano fisotro madio any Atsimo sy ao anatin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ny fametrahana ireo fitaovana ireo. Namboarina ihany koa ireo paompin-drano 400 isa nisy fahasimbana izay nampijaly ireo mponina hatramin’izay. « Tsy hijanonana hatreo fa efa eo am-pitadiavana vahaolana maharitra ny ministeram-panjakana amin’ny fitarihana rano amin’iny faritra Androy iny. Mety haharitra aman-taonany anefa ny fametrahana izany fotodrafitrasa izany », hoy i Dr Ndahimananjara Johanita Bénédicte, Minisitry ny rano.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







