Fiara nifandona – Mpamily Mazda sy zaza iray no maty
Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, tany amin’ny distrikan’i Mahambo, ny zoma hariva lasa teo. Fiara 4×4 iray nentina teratany vahiny no nifatratra tamin’ny mini-bus marika Mazda mpitatitra olona, tamin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambatomalama, izay 5 km tsy hiditra an’io distrika voalaza ery ambony io.
Nirimorimo mafy ilay nitondra fiara tsy mataho-dalana ka tsy nahatana intsony ny familiana. Mafy ny fifandonana ka namoy ny ainy avy hatrany ny ankizy kely iray tao aorianan’ny mpamily. Nosokirina avy tao anatin’ilay taksiborosy ity farany ary nifamonjena tany amin’ ny hopitaly Fenoarivo Atsinanana saingy tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga kelikely tao. Naratra avokoa ireo mpandeha sisa ary nentina namonjy ny hopitaly ihany koa. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana kosa ilay teratany vahiny nahavanon-doza.
Olona valo ihany koa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany tany amin’ny lalam-pirenena Rn6. Taksiborosy marika Mercedes Sprinter avy aty an-drenivohitra hihazo an’Antsiranana no nivadika tampoka rehefa hiditra ny tanàn’Ambanja, ny sabotsy maraina lasa teo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







