Andilamena – Dahalo 30 nangalatra omby 200
Mitady hahazo vahana indray ny halatr’omby any amin’ny faritra Alaotra Mangoro iny amin’izao fotoana izao. Dahalo telopolo isa nilanja fitaovam-piadiana avy no nanafika ny toerana Angiravato, fokontany Maroantova, kaominina Tanananifololahy, distrikan’Andilamena, ny voalohan’ny volana aprily, tokony ho tamin’ny 6ora maraina. Lasa ny omby roanjato sy ny basim-borona kalibra 12 an’ilay lasibatra. Tsy nijanona teo fa mbola nentin’ireo dahalo natao takalon’aina ihany koa ny olona miisa 12. Nampahalala ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo niharam-boina ka natao ny fanarahan-dia. Ny androtr’io ihany, tokony ho tamin’ny 4ora tolak’andro, nifanehitra ny roa tonta ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, avotra daholo ireo takalon’aina ary tafaverina ny ankamaroan’ ireo omby fa ny 10 kosa maty novonoin’ireo dahalo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







