Fitsaram-bahoaka – Roalahy indray no namoy ny ainy
Nahazo vahana mihitsy ny fitsaram-bahoaka tato ho ato izay. Saika isan-kerinandro dia mahare fa misy mpangalatra maty na maratra iharan’ny hatezeran’ny fokonolona. Mpangalatra roalahy indray no namoy ny ainy ny faran’ny herinandro teo, tany Ambatoriha, distrakan’i Bealanana. Tratra ambodiomby nangalatra tao amin’ny tokantrano iray tany an-toerana izy roalahy ireo, araka ny loharanom-baovao ka tsy namelan’ny olona raha tsy maty. Lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 12 tapitrisa ariary. Raikitra ny fifanenjehana eran’ny tanàna ka samy nidaroka avokoa ny rehetra. Tsy naharesy tosika ireo fokonolona, ireo jiolahy ka maty tsy tra-drano. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo vola be.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







