Water Aid Madagascar sy ny Fsm – Hamafisina ny fiaraha-miasa
Taorian’ny hetsika “Dobodoboka” nokarakarain’ny Water Aid Madagascar sy ny Federasionan’ny skotisma eto Madagasikara (Fsm), tany Sabotsy Anjiro, nandritra ny fivahinianan’ireo skoto anglisy dia nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireto vahiny ireto ho fanehoana ny hafaliam-po sy fanolorana fisaorana tamin’ny fandraisana azy ireo. Izy ireo izay tonga teto Madagasikara mba haka traikefa manoloana ireo skoto Malagasy amin’ny resaka fanentanana ny fiarahamonina ary nasehon’ireto farany nandritra ny hetsika “Dobodoboka” ny fahaizana manentana amin’ny alalan’ny fihetsika mampiasa tanana fotsiny fa tsy miteny mihitsy. “Hita ny herin’ny tanora Malagasy amin’ny zavatra ataony eo anivon’ny fiarahamonina. Ny fahazotoana no lesona azo entina miverina mankany Londres, izay hampiharina any an-toerana entina hanentanana ny fiarahamonina”, hoy Dunmall Kith, solontenan’ny Water Aid any Londres.
Iraka fanovana
Nanomboka ny voalohan’ny volana aprily 2016 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 martsa 2021, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fsm sy ny Water Aid Madagascar, noho izy ireo heverina ho iraka fanovana mankany amin’ny fijery iraisan’izao tontolo izao amin’ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana ary fahadiovana ato anatin’ny 2030. Miisa iray hetsy amin’izao fotoana izao ireo skoto eto Madagasikara ka sahan’asa roa no atao hifantohan’izy ireo mandritra izay 5 taona ho avy izay. Tafiditra amin’izany ny fanaovana ny fanentanana amin’ny resaka ara-pahasalamana izay mifantoka amin’ny lohahevitra efatra: ny fanasan-tanana amin’ny savony ; ny fitandrovana ny fahadiovan’ny rano fisotro madio ; ny fampiasana ny lavapiringa ary ny fidiovana eo amin’ny resaka fadimbolana, indrindra ho an’ireo ankizivavy mbola any an-tsekoly. “Eo ihany koa ny fandraisan’anjaran’ ny skoto amin’ny fametrahana amin’ny toerana misy azy eo amin’ny sehatry ny rano fisotro madio, fidiovana sy fahadiovana , tetibola, pôlitika, paik’ady ary indrindra ny fitsinjarana ny ho enti-manana amin’ny firenena”, hoy i Lovy Rosolofomanana, solontenan’ny Water Aid eto Madagasikara.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







