Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Tsy nahaloa hofan-trano – Naleon’ilay renim-pianakaviana nanapitra ny ainy

Zava-misy sy mampalahelo ary nanaitra ny trangan-javatra niseho tany amin’ny distrakan’i Toliara. Vehivavy 38 taona, maty vady sady manan-janaka roa no nifidy ny fahafatesana, ny alahady lasa teo, noho ny olana ara-bola. Tamin’ny fahavelon’ny vadiny dia tsy mba nanana olana ara-bola mihitsy ilay vehivavy satria nikarakara tokantrano foana ny tenany hatramin’ny fotoana nahafatesan’iry voalohany, izay maty tampoka. Nanomboka teo dia nanana fahasahiranana ara-bola namelomana ireo zanany ilay renim-pianakaviana satria tsy nanana asa raikitra. Mbola nanampy trotraka etsy andaniny ny hofan-trano isam-bolana. Nitombo isan’andro ny olany. Tonga teo amin’ny faran’ny heriny izy, ary tsy nanana zavatra hafa intsony afa-tsy ny fanaperany ny ainy satria nahazo filazana fandroahana tamin’ny tompon-trano. Nangataka fe-potoana efatra andro ny tenany mba hitadiavana vahaolana saingy tsy nahita mihitsy ka naleony nitelina fanafody. Fatin’ olona nivalampatra sisa no hitan’ny tompon-trano rehefa handeha hitaky ny volany izy.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre