Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Maroantsetra – Olona iray maty ary telo hafa tsy hita narendriky ny botry

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina indray ny fari-dranomasin’i Maroantsetra. Botry iray hihazo ny kaominina Rantabe, tanàna  mipetraka eo amin’ny 40 kilometatra miala ny distrikan’i Maroantsetra no tra-doza tampoka rehefa tonga teny am-povoan-drano. Mpandeha folo mponin’i Rantabe sy enta-madinika ary môtô no nentin’ity mpitatitra olona an-dranomasina ity. Mpandeha miisa 6 no avotra soa aman-tsara fa ny efatra narendriky ny ranomasina. Roa amin’ireo, sefon’ny zandarimaria miaraka amin’ny vadiny avy namonjy ny fankalazana ny andron’ny zandarimaria, tany Maroantsetra.

Nandeha ny fikarohana ka olona iray no voalaza fa efa hita ny vatana mangatsiakany ary telo kosa mbola tadiavina. “Izaho dia mbola tsy nahazo ny fanamarinana mazava mahakasika ity loza an-dranomasina ity fa amin’ny fahafantarako ireo mpanamory botry ireo dia tsy maintsy  andraikitr’izy ireo ihany ny loza tahaka izao. Izy ireo izay tsy mieritreritra ny fiarovana ny mpandeha fa ny vola miditra ihany. Mino aho fa 90 isan-jaton’ny loza tahaka izao dia avy amin’ny vesatra tafahoatra”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Na izany na tsy izany dia mitohy ny fikarohana ireo telo mbola tsy hita.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre