Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ankorondrano – Lehilahy lehibe maty nikarapoka tamin’ny tany

Ny alatsinainy maraina, tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany teo, lehilahy lehibe iray no nitambotsotra tampoka teo anoloan’ny trano fivarotana “Leader price”. Niankarapoka tamin’ny tany avy hatrany ilay raim-pianakaviana, taitra noho izany ny mpiambina teny an-toerana ka niezaka nibata azy teny antokontanin’izany toeram-pivarotana izany. Niantso sefom-pokontany ny tenany fa mandra-pikeninkenina teo dia maty ilay rangahy.

Nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny fokontany sy ny Bmh rehefa nazava ny andro. Fiakaran’ny tosi-dra no nahafaty azy tampoka, araka ny fanambaran’ny Bmh. Efa eo am-pelatananan’izy ireo ny razana mandra-pahatonga ny havany.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre