Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Naratra mafy ny Depiote ny Soanierana Ivongo

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, tany amin’ny tanàna iray 18 kilometatra tsy hiditra an’i Soanierana Ivongo. Fiara nentin’ny solombavam-bahoakan’izany toerana izany no niharam-boina tampoka rehefa tonga tany amin’ny fokontany Manankatafana, ny marainan’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5ora, noho ny faharatsian’ny lalana. Avy naka skoto namonjy lasy tany amin’ny kaominina Vohilengo, distrika Fenoarivo-Atsinanana ilay Depiote dia io tra-doza io. Araka ny vaovao voangona dia misy lavaka eo amin’ny lalana manoloana ny hopitaly Manankatafana ka tsy tafala izany ilay fiara ary nifatratra tamin’ny tambohon’ny hopitaly. Vokany, naratra mafy teo amin’ny tongony sy tratrany ilay solombavam-bahoaka ary ao anaty tsy fahasalamana tanteraka ny tenany amin’izao. Skoto iray ihany koa no tapa-tongotra ary dimy hafa naratra saingy tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Misy tamin’ireo naratra no nalefa any amin’ny hopitaly Soanierana Ivongo ; nisy ihany koa ireo nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly manara-penitra, any Toamasina, ka anisan’izany ilay olom-boafidy.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre