Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Fiarahamonina malagasy – Rakotra rongony

Olana mikiky ny fiarahamonina maneran-tany ny rongony. Tsy ho an’ny fiarahamonina Malagasy irery anefa ary tsy anavahana sokajin-taona ny fanjifana azy. Miparitaka manerana ny Nosy ny rongony amin’izao fotoana izao. Tsy misy andro iray mandalo tsy andrenesana fa nisy mpivarotra sy mpifoka rongony tratran’ny polisim-pirenena miandraikitra ny ady amin’ny zava-mahadomelina tatsy sy teroa eto Madagasikara. Tsikaritra anefa tato ho ato fa ireo ankizy tsy ampy taona no tena voasintona amin’ny fidorohana ity zava-mahadomelina ity.

 

Ireo ankizy tsy ampy taona no tena voasarika

Tsy eto Antananarivo renivohitra irery ihany fa tena rakotra mpivarotra rongony ny fokontany rehetra manerana ny Nosy. Avy any Antsiranana mihazo an’i Mahajanga, mihodina any Toamasina, mandalo any Fianarantsoa ary mipaka hatrany Toliara izany. Saika isan’andro dia ahazoana vaovao mahakasika ny fahatratrarana ireo mpamatsy rongony avy amin’ny polisim-pirenena, misahana ny ady amin’io zava-mahadomelina io manerana ny Nosy. Matetika dia sarona miaraka amin’izy ireo ihany koa ny fonosana rongony mandritra ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo.

Tsy ireo mpivarotra ihany anefa fa efa maro ihany koa ireo mpifoka tratra hatreto. Tsikaritra fa ireo zaza tsy ampy taona sy ireo tanora, indrindra ireo mpianatry ny Ceg no tena roboka amin’ny fifohana izany. Mifanao fotoana amin’ny toerana iray izy ireo mifoka izany rehefa tsy mianatra dia ny alarobia atoandro sy sabotsy. Voalaza ihany koa fa ny vola omen’ireo ray aman-dreny atao ody ambava fo no ividianan’ireo ankizy izany.

 

Manome vahana ny fiarahamonina

Ny filana tsy feno, na faniriana tsy tanteraka no voalaza fa mahatonga ny olona iray mirona amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, izay mitaky ny fahafaham-po arakaraka ny ataony hoe fahafinaretana. Rehefa tsy mahita izany eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ilay olona iray dia mitady tontolo hafa mihitsy ary ny rongony no heveriny fa hitondra azy amin’izany tontolo izany.

Ny olana amin’ny zava-mahadomelina anefa dia ny fiankinan-doha amin’izy io satria sarotra ny miala aminy raha vao tafiditra ao. Matoa anefa ny olona iray tafaroboka amin’ny sehatry ny tontolon’ny rongony dia ny fiarahamonina no manome vahana azy. Ohatra, amin’izany ny fisian’ny korontan-dava ao an-tokantrano na ny fibedibedisana lava ny zaza rehefa misy zavatra tiany hatao nefa tsy mahazo rariny. Ny fiarahamonina, noho izany no mila amboarina sy tsaboina raha tiana ny hitsabo olona iray hiala amin’ny rongony.

 

 

Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny fidorohana rongony

Tsy araka ny filazan’ireo izay tsy afa-miala amin’ny rongony fa tena misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny fidorohana azy. Fantatra mantsy fa mitondra taharo mampanonofinofy ny rongony. Tsy vitan’izany fa manimba ny tena ara-batana ihany koa izy, eo amin’ny tosi-dra sy aretin-tratra ary ny fikorontanana ara-tsaina, izany hoe marary saina. Mamono sy manimba ny tena ny rongony noho ilay poizina “tet racanabinol” ao anatiny.

 

Tokony hifampiresaka ny ray aman-dreny sy ny zanaka

 

Mbola ady goavana sy mafy no miandry ny fiarahamonina amin’ny fanalana ireo tanora voagejan’ity zava-mahadomelina ity.  Tsy vahaolana ny fanasaziana avy hatrany fa ny fifampiresahana aloha no omena toerana. Fantarina ny antony nahatonga azy hirona amin’izany. Vahaolana goavana ny fifanantonan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Rehefa tsy afa-po amin’ny fitaizana izay vao manasazy. Voalaza mantsy fa sokajina tanora tsy ampy fanabeazana eny anivon’ny tokantrano no tena tratran’io fidorohana zava-mahadomelina io. Noho izany, tokony homena fahafaham-po amin’izay zavatra hita fa rariny izy.

 

Mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana

Antony iray mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana ny fifohana rongony, satria tsy mifidy taona sy mahalahy na mahavavy intsony ny fidorohana azy amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroan’ireo mpidoroka azy ity anefa dia tsy mahazaka ny herin’izany rongony izany ka lasa manaotao foana satria lasa sahisahy rehefa mahazo azy io. Tafiditra ao anatin’izany ny fanafihana mitam-piadiana, ny fanolanana, ny harom-paosy, misy mihitsy aza ireo mahavita mandatsa-dra ny ray aman-dreny nahitana masoandro rehefa tsy manaiky izay lazain’ izy ireo.

 

Mila hentitra ny Fitsarana

 

Voasazin’ny lalàna 97039 ny famokarana, fitsinjarana, fanjifana ary izay rehetra mahakasika ny rongony eto Madagasikara. Mahavoasazy toy ny fandoavana lamandy na fampidirana am-ponja mihitsy izany. Nefa misy foana ireo minia mbola mamboly sy midoroka izany. Mila hentitra, noho izany, ireo mpitandro filaminana na ny Fitsarana manoloana ny sazy omena ireo olona tratra ireo. Tsy tokony ho sodokan’ny vola amin’ny fanaovana ny kolikoly. Fantatra mantsy fa amin’ny fanomezam-baovao omen’ireo mpitandro filaminana mahakasika ireo olona tra-tehaka ireo dia ny mpamerin-keloka, noho io rongony io ihany no mameno isa na ny mpamatsy na ny mpifoka izany.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre