Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Manaikitra sahady !

Manaikitra sahady ny hatsiaka eto an-drenivohitra. Ny maraina, ny harivariva ary ny alina no tena tsapa izany hatsiaka izany fa ny atoandro aloha dia toa zary enta-mavesatra indray ny akanjo mafana sy ny satroka bà isan-karazany. Ilaina tokoa izy ireny satria antoky ny fahasalamana ka tsy maintsy vingitina etsy sy eroa. Raha tahaka izany ny eto an-drenivohitra dia inoana marimarina tokoa fa any amin’iny Faritra Vakinankaratra iny, Antsirabe, Ambatolampy, Ambohibary Sambaina, Faratsiho sy Antanifotsy, na ihany koa iny atsinanan’Antananarivo iny, Manjakandriana sy Mantasoa no tiana ho lazaina eto, ka hatrany amin’ny faritra avaratra toa an’Anjozorobe, Mangamila sy ireo tanàna amin’ny havoanan’Angavo iny dia tena mamirifiry mihitsy. Mila tsy ho zakan’ny olombelona ny hatsiaka. Tafiditra ao anatin’ny antony mampangatsiaka be ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fiovaovan’ny toetrandro ary samy mizaka ny vokany avy hatrany ny valalabemandry. Eken’ny rehetra fa manamora ny fiainana ny “mitsingoloka”, io moa no fomba filazan’ny rehetra ny mividy akanjo sy kiraro eny amin’ny “friperie” rehetra eny. Ahitana azy daholo ihany koa ny kihon-dàlana rehetra, ny trottoir eny ka hatreny amin’ny arabe. Raha ny eto an-tampon-tanànan’Antananarivo dia ny araben’ny Fahaleovantena sisa tsy misy azy saingy inoana fa ho avy tsy ho ela ihany koa izany satria ra-fahantrana dia tsy mitsahatra mamely ny tokantrano rehetra. Ra-fanjakana tsy mahavita mamorona asa ho an’ny vahoakany ary etsy ankilany, ra-kaominina Antananarivo Renivohitra tsy mahavita mifehy tanàna akory no sady mikendry fifidianana indray izao ka mandray fepetra tsy ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro akory fa manao izay mahabôgôsy ny tenany eo! Ny mponina tena monina eto an-drenivohitra no tena mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana avy eo satria ny tanàna maloto, ny fivezivezena sarotra, ny toeram-pivoahana ho an’ny mpivarotra sy mpividy tsy mitombo isa, ny taksibe manao izay tiany hatao amin’ireto saofera sy resevera fady rano ka mahatonga ny maro manontany hoe: izany avy ve dia tsy vitan’ny mpitantana ny kaominina no manentana sy manasazy rehefa tsy hay atoro? Ady amin’ny mpiasa Ecd sy ireo mpivarotra no mahamaika nefa ny asa mora kely indrindra indray no tsy vita. Izany hoe ny fanentanana ireny sehatr’asa manaiky hiasa ho an’ny vahoaka ireny. Fanentanana amin’ny ady izay tokony ho laharam-pahamehana dia ny ady amin’ny fahadiovan’ny vatana aloha. Ny mahazendana koa  dia fanentanana amin’ny zavatra hafa mihitsy no hita ka raha hiresaka fotsiny ny fidinan’ingahy filoha teo aloha tetsy Andohatapenaka omaly izao no jerena dia toa ireo lohandohany  ao amin’ny kaominina no hita betsaka nanamaro ireo olona nanodidina azy. Ka atao ahoana fa tandra vadin-koditra amin’ingahy Ravalomanana ny mifangaro voraka. Tsy hay avahana intsony ny raharahan’ny orinasa sy ny ara-panjakana. Dia andraso fa ho be indray ny olona hokaikerin’ny alika romotra vao mody mikarakara eo. Mbola manenjika fiara aloha izao ireo andian’alika mameno ny arabe sy ny elakelan-trano fa tsy ho ela ihany koa dia hanenjik’olona sy hihinan’olona toy ny tany Andranodambo sy ny toy ny tranga niseho tany Ambatolampy tamin’ity herinandro ity. Dia mitomany tena ny valalabemandry fa mandry amin’ny tahotra lava izao: ny dahalo, ny mpangalatra, ny hanoanana, ny hatsiaka, ny loto miteraka aretina dia izao indray mitsidika sahady ny fahavalo manara-dia ny alika izany. Ny asaramanitra anefa ity ho avy ka tsy maintsy mba hisy ny fodiana harivariva. Ny mpitondra rahateo izao efa  hanomana fety isaka ny boriborintany mba hanodinana ny sain’ny mponina amin’izato tsy fahombiazana efa azo tsapain-tanana mihitsy. Ka inona no hevitra izany raha toa ka tsy maintsy hody hariva? Aleo ary mitondra karapanondro aloha dia izay tsy ampy taona no miandry tanàna, manao tsikoninkonina. Ny akanjo mafana azadino sady izao mihitsy no fotoanan’ny valan’aretina toy ny gripa sy ny tazo. Kanefa aza dia manao sangy mihoatra ny loha satria ny mahery tsy maody tsy mba ela velona. Izany hoe fadiana ny mihoatra ny amin’ny valo ora hariva, indrindra raha tovovavy ny tena. Ialao lavitra ihany koa ny mpivarotra zava-pisotro misy alikaola fa misy devoly ireny. Raha voatery tsy maintsy mandray mafana kely anefa noho ny hatsiaka dia ataovy amin’ny antonony.  Izay no toro-hevitra tsotsotra mba hiadiana amin’ny hatsiaka satria tsy ho vita ihany koa ny hividy bodofotsy “double face” amin’izao fiainana lafo izao!

Jean Luc RAHAGA

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre