Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Rantabe-Maroantsetra – Hita avokoa ny fatin’ireo mpandeha rendrika

Taorian’ny fikarohana natao dia efa hita avokoa ireo mpandeha telo narendriky ny lakana, tany Maroantsetra. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiakan’izy ireo sisa no nojonoina tao anaty ranomasina. Ny iray hita ny harivan’ny alatsinainy teo, omaly maraina kosa ny roa hafa ka anisan’izany ilay zandary “chef de poste” sy ny vadiny, araka ny loharanom-baovao.

Raha tsiahivina dia lakana iray mampitohy ny distrikan’i Maroantsetra sy ny kaominina Rantabe no rendrika tampoka ny alahady lasa teo, rehefa hihazo ity kaominina ity. Mpandeha folo no tao anatiny ka isan’izany ilay « chef de poste » ny zandarimarian’i Rantabe sy ny vadiny izay avy namonjy ny andron’ny zandarimariam-pirenena. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza fa ahiana ho ny vesatra loatra nentin’izany lakana izany. Natolotra ny fianakaviany avy ireo razana.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre