Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Kianjan’ny Makis – Ireo mpivarotra « cola » ihany no mpamatsy rongony

Tsy mijanona amin’ny fivarotana voanjo sy “cola” ihany ireny mpivarotra mandehandeha mitondra sahafa ireny fa fantatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa mamatsy rongony, eny amin’ny kianjan’ny Makis, mandritra ny fijerena baolina lavalava eny an-toerana. Tsy misy henatra intsony fa samy midoroka izany eny imasom-bahoaka avokoa ireo mpifoka rongony mandritra ny  fijerena “match” iray manontolo. Efa betsaka ireo mahatsikaritra ity fihetsika tsy mendrika ity satria tsy vao sambany akory fa efa hatramin’izay no nisy an’izany eny an-toerana, araka ny loharanom-baovao. Ny mpitandro filaminana natao hanaramaso an’iny toerana iny anefa, etsy ankilan’izany, tsy hay na tsy mahafantatra ny trangan-javatra na minia mikipy tsy mahita akory. Hatramin’izao dia tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitr’izy ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre