Complexe Ampefiloha – Niakaran’ilay olon-dratsy tao anaty taksibe ilay tovovavy
Mirongatra izay tsy izy ny sinto-mahery sy ny fanendahana eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ary ireo vehivavy matetika no tena lasibatra amin’izany. Toy ny tranga iray niseho manoloana ny fiantsonan’ny taksibe, omaly, teny amin’ny Complexe Ampefiloha. Niakaran’ilay jiolahy tao anaty fiara mihitsy ilay tovovavy nakany an-keriny ny finday teny an-tanan’ity farany. Nampidina mpandeha teny amin’izany fiantsonana izany ny taksibe nandehanan’ity lasibatra ity ka tamin’izay fotoana izay indrindra no nidiran’ilay olon-dratsy nisintona ny finday teny aminy. Tsy nisahirana ity jiolahy naka ilay fitaovana satria nipetraka teny amin’ny seza farany indrindra ilay lasibatra sady mbola nifandray tamin’olona tamin’ny alalan’izany finday izany. Araka ny fahitana ny fisehoan-javatra teny an-toerana dia karazany efa naraha-maso mihitsy ny fihetsik’ ilay tovovavy. Teo anatrehan’izany dia tsy nisy nahetsika ny olona nahita fa samy nihanahana teo avokoa ny rehetra hatramin’ilay voaroba aza.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







