Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena – Handray mpampianatra Fram 10 000 ho mpiasam-panjakana

Ho fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana dia mpampianatra Fram iray alina indray no horaisina ho mpiasam-panjakana, amin’ity taona 2016 ity, izay tafiditra amin’ny andiany fahatelo. Efa vita daholo ny fanadiovana ny lisitra ankoatran’i Melaky, nohon’ny haratsian-dalana. Amin’io herinandro ambony io no hidina any an-toerana ny ekipan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena hamarana  ny fankatoavana ny lisitra. Tsy hisy intsony, noho izany, ny famoahana ny lisitra faharoa. Ny fandraisana ireo mpampianatra maherin’ny 45 sy 50 taona no hampiavaka ity andiany ity. Aorian’ny fandraisana ireto andiany fahatelo ireto dia mpampianatra Fram 50 000 no mbola hampidirana ho mpiasam-panjakana. Raha efa izany, tsy hisy intsony ny mpampianatra Fram tsy ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny Cisco 12 manerana ny Nosy.

Mpampianatra miisa 87 avy ny kôta an’ireo Cisco manerana ny Nosy. Nidina be ny filana tamin’ny Cisco sasany nefa niakatra kosa ny hafa, taorian’ireo andiany roa miantoana 2014-2015. Vokany, najanona any amin’ny Dren tsirairay avy ny kôta mba hialana amin’ny isa mihoatra any amin’ireo Cisco”, araka ny fanazavana nentin’i Sandrot Rabeandalana, talen’ny mahaolona ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Marihina fa ireo 10 000 noraisina ho mpiasam-panjakana ireo dia voafantina teo anatrehan’ireo rehetra liana tamin’izany, ireo manam-pahefahana ary ireo mpandray anjara amin’ny tontolon’ny fanabeazana.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre