Ankadimbahoaka – 4×4 telo sy taksibe iray nifandona
Nisehoana lozam-pifamoivoizana, teny Ankadimbahoaka, omaly, tokony ho tamin’ny 4ora tolakandro tany ho any. Fiara tsy mataho-dalana miisa 3 sy taksibe iray no tra-doza manoloana ny fiantsonan’ity farany. Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny loza fa niala ilay taksibe nivoaka tampoka ny fiantsonana ilay 4×4, araka ny loharanom-baovao. Nandeha mafy ka nidona tamin’ny vodin’ny fiara fitateram-bahoaka ilay tsy mataho-dalana iray ary nanaraka izany hatrany hatrany ny nahazo ireo 4×4 roa hafa tao aoriana. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa nahitana fahasimbana goavana avokoa ireo fiara efatra ireo. Niteraka fahasorenana ho an’ireo olona mpampiasa an’iny lalana iny kosa ity lozam-pifamoivoizana ity, noho ny fitohanana lavareny izay naterany. Fantatra mantsy fa nitohana be avy any amin’ny “gastro pizza” ny fiara hihazo an’iny lalana Ankadimbahoaka iny.
Tsikaritra anefa fa tena lasibatr’ireo fiara 4×4 mihitsy ny taksibe raha ny omaly tontolo no asiana resaka. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Ankadimbahoaka dia taksibe iray ihany koa no nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana, teny Alarobia. Olona iray sendra niampita tampoka kosa no voadonan’ny 4×4, teny Antaninandro. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny naratra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







