Polisy Malagasy sy Ejipsianina – Hohamafisina ny fiaraha-miasa
Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka,ny Inspektera jeneralin’ny polisy Randimbisoa Blaise Richard teny amin’ny biraony, eny Anosy ny masoivohon’i Ejipta miasa sy monina eto Madagasikara, Cherif Youssef Abbas, omaly maraina. Voaresaka nandritra ny tafatafa nifanaovan’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Ejipsianina. Notsindriana manokana ny resaka fiofanana izay hasiam-panavaozana ho amin’ny tsaratsara kokoa, izay marihina fa i Ejipta no firenena lohalaharana amin’ny fandraisana polisy Malagasy mandeha miofana any aminy. Voaresaka tao ihany koa ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa amin’ny ady amin’ny asa fampihorohoroana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







