Loharanombato-Ampitatafika – Mirongatra ny asa fanendahana
Mahazo vahana ny asa fanendahana eny Ampitatafika sy ny manodidina. Fitoriana fito isan’andro no voarain’ny polisy mahakasika izany asa ratsy izany. Ny faritra Ambohimamory, Vinany ambadiky ny Fjkm, Sinibendrano, Fasana misy sary Liona, Andrady Espace Volamanga, Ambohijaina Masoandro ary indrindra eny Loharanombato no tena fiasan’ireo mpanendaka sady mampiasa sabatra handrahonana ireo olona hoendahina. Nanao hetsika ny polisy eny an-toerana, noho ny fahamaroan’ny fitarainana voaray ka mpanendaka efa-dahy, izay tena ikoizana amin’io asa ratsy io no voasambotra, ny talata sy alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 5ora sy 30mn maraina. Mpianatra sy mpivavaka maraina no tena lasibatra , araka ny filazan’izy ireo nandritra ny fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa mpamerin-keloka avokoa izy ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







