Fanafihana teny Ivandry – Natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy
Tokantrano miisa 3 no indray nisy namaky ny alin’ny alatsinainy 4 aprily hifoha 5 aprily, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina tany ho any, teny Ambodivoanjo Ivandry. Anisan’izany ny tranon’ny mpanao politika iray. Jiolahy miisa 5 nitondra antsy lavalela roa sy basy poleta ary « matrac » no nandravarava teny an-toerana tamin’izany fotoana izany. Toeram-ponenan’ny teratany vahiny iray, monina eny Andranobevava Analamahitsy no nidiran’izy ireo voalohany. Nofatoran’izy ireo ny mpiambina dia novakiany ny varavarana miditra ao an-trano ; nambanany basy ilay raim-pianakaviana sy ny zanany lahy. Nodarohan-dry zalahy avy eo izy mianaka ka naratra. Lasa tamin’izany ny finday miisa 3 sy ny vola ary « tablette » mitentim-bidy 6 tapitrisa ariary. Nifindra tamin’ny tranona mpanao politika iray teny Ivandry indray ireo olon-dratsy avy eo ary nandroba ny vola tao anaty « porte feuille » sy vatafahitalavitra fisaka.
Tsy nijanona teo anefa fa mbola nikasa hiditra an-keriny tao amin’ny tokantrano mifanila amin’ilay mpanao politika izy ireo saingy tsikaritry ny tompon-trano mialoha ka raikitra ny fiantsoana vonjeo. Rifatra nitsoaka ireo jiolahy ary nandritra ny fifanenjehena no tonga ny polisy. Vokany, noraisim-potsiny izy dimy lahy. Natolotra ny fampanoavana omaly 7 aprily ireo olon-dratsy taorian’ny famotorana natao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







