Antsirabe II – Lehilahy maty voatsatok’antsy
Lehilahy iray no maty voatsatok’antsy, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambodivona II, fokontany Tsarahonenana, kaominina Mandrosohasina, distrakan’Antsirabe II, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fifamaliana teo amin’ny lehilahy roa vokatry ny hamamoana no antony nahatonga ny loza. Nandeha niara-nisotro tao amin’ny trano fisotroana toaka iray tany an-toerana izy roalahy ireo. Tokony ho tamin’ny 8ora alina tany ho any, raikitra ny fifamaliana. Samy tsy nahazaka ny roa tonta ka tonga hatrany amin’ny fifamonoana ary niafara tamin’ny tsatok’antsy izany. Voa teo amin’ny hatoka sy lamosina ny iray ka namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nikasa handositra kosa ilay nahavanon-doza saingy tratran’ny zandary sy ny fokonolona.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







