Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Zava-mahadomelina – Asisik’ireo mpianatra ao anaty sigara indray ny rongony

Tsy lany hevitra fa mahita fika vaovao foana ireo mpianatra midoroka zava-mahadomelina. Tsy ny mpianatry ny Ceg toy ny mahazatra fa hatramin’ireo mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina dia efa voasarika amin’ny fidorohana avokoa ary tsy mifidy hoe mahalahy na mahavavy intsony. Toy izay tranga hita, teny amin’ny sekoly tsy miankina iray, teny Ankadivato, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 11ora tany ho any. Nandrehitra sigara ireo tovovavy miisa 3 raha vao nivoaka ny vavahadim-pianarana. Rehefa tena nojerena akaiky anefa dia hita fa rongony saingy nasisika tao anatin’ireny sigara “good look” ireny ary mifandimby mifoka izy ireo. Lany ny iray dia nandrehitra hafa indray avy eo. Gaga daholo ny mpianatra tao amin’ilay sekoly sy ny olona nanatri-maso raha nahita azy telo mirahavavy satria efa tsy tahotra tsy henatra intsony fa eny an-dalam-be eny no manao fihetsika tsy mendrika tahaka izany. Nisy tamin’ireo olona nahita izany no tsy naharitra ka nampandre avy hatrany ny manam-pahefana mba handray ny andraikiny amin’ny tranga-javatra mampalahelo toy izao.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre