Fenoarivo Alakamisy – Fiara telo nifandona, mpamily iray maty
Nandriaka ny ra, teny Fenoarivo Alakamisy, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Fiara telo no nifandona manoloana ny sampanan-dalana mankany Vontovorona. Fandehanan’ny fiara iray marika Mercedes Sprinter mafy loatra nefa niditra fiolanana no nahatonga ny loza. Araka ny loharanom-baovao dia nisy fiara tsy mataho-dalana an’ny tambajotra iray mikirakira momba ny fifandraisan-davitra sy serasera maty tamin’iny lalana iny ka notaritin’ny kamiao kely. Ity farany kosa avy eo no nodomin’ilay Sprinter. Mafy ny fifandonana teo amin’ny telo tonta ka maty tsy tra-drano ilay mpamily ny fiara Sprinter satria voatsindry teo anelanelan’ny familiana ny tratrany. Vehivavy iray nipetraka teo akaikiny ihany koa no naratra mafy, izay tapa-tongotra mihitsy ary voatery nosokirina ny namoahana azy tao anaty fiara, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny naratra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







