Misasa amin’ny rano maloto !
Fahasahiranana lalina no mahazo ny mponina amin’ny fitadiavana rano raha ny eto an-drenivohitra no jerena. Tsy misy fokontany iray tsy ahitana irony daba mavomavo irony izay mitan-dahatra hatrany amin’ny zato metatra farafahakeliny ary tsy misy ora tsy ahitana izany, eny fa na dia vao maraim-be mbola amin’ilay maizim-pito iny aza. Raha ny eny amin’ny faritra ambony eto Antananarivo, ohatra, dia mila maheno ny sofina na dia ao anatin’ny torimaso aza. Ahoana tokoa moa izany hoy ianao? Mandeha amin’ny ora … tsy ampoizina ny rano eny Faravohitra, Andohalo, Manjakamiadana, Ambohimitsimbina, Ambohipotsy ka hatreny Andohamandry. Matetika hoy ny mponina dia manodidina ny amin’ny folo alina ka hatramin’ny efatra maraina izany, ho an’ireo tongan’ny rano ny ao an-tokatranony. Araka izany, mila eo ambavam-paompy ny siny ary tsy alàna eo mihitsy satria olombelona ny tena ka mahalala vizaka ary ihany koa mety ho resin’ny torimaso. Ilaina, araka izany ny sofina mahare tsara rehefa injay mitete anaty siny ny rano ary dia mila mifoha haingana mamonjy izany ka mitatitra izay feno. Tena mila miaritra tokoa anie izany satria tsy hay hoe amin’ny fotoana inona no tapaka ilay rano no sady tsy misy fambara mialoha rahateo ihany koa. Raha izany hoe fampitam-baovao izany aloha amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Jirama dia mahazo matory … ambonin’ny vato ny mpanjifa fa tsy hisy izany. Matetika rehefa anontanian’ny mponina ireo mpiasan’ity orinasa ity dia milaza fa tsy mahatosika ny filàna rano eny amin’iny faritra avo iny ireo milina ampiasaina amin’izany no sady efa vokivoky taona ihany koa. Ny mahagaga anefa dia efa tao anatin’ny taona maro no nijaly toy izao ireo mponina eny, na ihany koa ireo mipetraka eny amin’ny Fort-Voyron sy ny manodidina, kanefa dia tsy mbola nisy vahaolana mihitsy nentin’ity orinasa ity, na be ny ranon’orana na maina ny andro. Tsy nisy fotoana mba nahazoana fahafaham-po na dia kely aza tamin’ny Jirama fa ny mifanohitra amin’izany aza no azo, dia fijaliana sy fahasahiranana lava no iainan’ny mponina. Ho an’ireo tsy maintsy milahatra eny amin’ny paompy kosa no tena mizaka ny ngidiny satria dia maty mihitsy ny andro iray manontolo eo am-piandrasana ny famenoana ireny daba mavo ireny, kanefa ny ampitso dia tsy maintsy mbola hitady rano indray. Misy amin’ireo mponina araka izany no mamonjy ireo fianakaviana monina eny amin’ny fokontany hafa noho ireo voalaza etsy ambony ireo mba handeha hisasa, hanadio vatana ary ihany koa hanasa lamba. Mazava ho azy fa ireto fianakaviana voalaza farany ireto dia anatin’ny fahasahiranana ihany koa ka tsy dia afaka hararaotina araka izay mahadiavolana ny saina. Noho izany, mitovitovy amin’ny fahoriana mahazo ireo mponina eny amin’ny faritra avo ny mahazo ny vahoaka eny amin’ny toerana iva.
Dia izay no nahitan’ny mpandalo sy ny mpampiasa lalana tato ho ato fa toa nihamaro ireto mpanasa lamba eny amin’ny reniranon’Ikopa sy iny Sisaony iny. Misy ny mponina avy any amin’ny fokontany lavitra no tonga eny amoron-drano eny, toy ny avy any Soavimasoandro na ihany koa ny avy any Ambatomainty sy Ampasampito mihitsy aza. Dia an-tongotra no hatao hamonjena iny Anosizato Atsinanana iny na ihany koa ny eny Tanjombato satria sarotra ny hitrotroana ireto lamba maro be any anaty taksibe. Dia toy izany ihany koa ny miverina mamonjy ny akany ary eo aza no tena tsaroana ny havizanana. Ankoatra ny fanasana lamba, asa izay tena mandreraka ka mampanakotsako ny vanin-taolana rehetra. Tsy maintsy mbola loloavina ny entana izay mbola maro ny lamba lena kanefa etsy andaniny tsy maintsy kajiana fatratra sao maloto indray rehefa tonga any an-tanàna. Dia very maina ny ezaka rehetra natao, raha izay tokoa ny mitranga satria tsy maintsy himenomenona ny mpampiasa ka mihena ny vola voaray. Raha ny marina izany dia nihemotra be tany amin’ny fitopolo na valopolo taona lasa tany ny Malagasy raha ny resaka fahadiovana sy fidiovana no resahina. Etsy andanin’izay anefa tsy azo antoka ihany koa ny fahadiovan’ny rano eny amin’ireo renirano roa voalaza ireo. Be tokoa ny mponina mipetraka manakaiky ireny no manary ny malotony any anaty rano any. Ny eny Ambohipo, ohatra, efa ela no tsy naharaka intsony ny lakan-drano fivarinan’ny rano maloto, na ihany koa vaky ka mivarina any Ikopa daholo izany. Ny eny amin’iny faritra Tanjombato sy Ankazotoho Anosimahavelona iny indray dia misy mihitsy ny mamarina ny maloto nataon’ny fianakaviana iray manontolo mbola any amin’io renirano io hatrany. Etsy andaniny dia misy ireo orinasa izay tsy manaraka fepetra takian’ny lalàna intsony fa mandefa ireo rano nampiasaina ao Ikopa na Sisaony. Kilometatra vitsivitsy miala eo anefa dia indreo mpanasa lamba sesehena manadio ny akanjo sy fitafy isan-karazany. Ka inona moa izany fa tsy misasa amin’ny rano maloto ny mponina! Ilaina araka izany, ny mpitantana tanàna mba hahataka-davitra sy mahafantatra ny fijalian’ny mpiara-belona. Mahagaga anefa ireto izy fa toa tsy mahalala izany akory no mipetrapetraka mitady voninahitra isaka ny mba misy asa kely vita.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







