Marolambo – Mirongatra ny vaky fasana
Efa mahakasika ny distrikan’i Marolambo ihany koa ankehitriny ny resaka vaky fasana. Tranga izay saika mampimenomenona ny mponina manerana ny Nosy. Sarobidy ny razana amin’ny Malagasy ka arovana fatratra. Tao anatin’ny iray volana anefa zao dia fasana roa no vaky tao amin’ity distrika ity, tao amin’ny kaominina Ambodinonoka ny voalohany tamin’izany ary efa mananika ny folo ny razana nanjavona. Ireo tompom-pasana moa izay tsy nahafantatra akory ny zava-nisy raha tsy nisy fandevenana natao tao amin’ilay fasana. Teo vao samy ankona avokoa ny rehetra fa tsy nisy na taolam-balo iray aza nijanona tao am-pasana, araka ny loharanom-baovao. Nalahelo sy nitomany avokoa ireo mpandevina izay nanana razana nilevina tao, zary toa adino tanteraka ilay fahoriana vao nidona satria dia nidonam-pahoriana vaovao hafa indray ireto fianakaviana, noho ny fahaverezan’ny tailambalon’ny havana. Tsy mbola fantatra ny andro nahavaky ny fasana sy ireo izay nahavanon-doza, hatramin’izao .
Tranga iray hafa ihany koa tao amin’ny kaominina Anosiarivo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra fa misokatra ny fasana. Nampandre avy hatrany ny tompon’ny fasana izy. Nahavariana indray fa tsy nisy nanetsika ny razana na dia nisokatra aza ny fasana. Nandray ny andraikiny ny tangalamena any an-toerana, manoloana ity firongatry ny vaky fasana any an-toerana ity ka nametraka dina fa tsy hitsitsy izy ireo raha toa ka misy ireo tratra manao izany asa ratsy izany ary nilaza mazava fa mety ho fahafatesana no tambin’izany. Marihina moa fa isan’ny mananosarotra ny mety ho fiambenana ireo fasana satria dia any anaty ala alavitry ny trano fonenana no misy azy ireny. Noho izany, tsy misy ny fitsidihina izany matetika fa rehefa misy fandevenana vao tonga any.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







