Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mahabo – Maty novonoin’ny dahalo ny zanaky ny tompon’omby

Omby efatra no nandatsahan’ireo dahalo miisa 15, ain’olona,  tao amin’ny kaominina Ankilizato ao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny faran’ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina tany ho any. Nirongo basim-borona sy antsy ary famaky ireo malaso tamin’izany. Nampihorohoro ny tao amin’ny fokontany Ankatoky izy ireo satria dia kotaba tsy nifandrenesana no nidiran’izy ireo ny tanàna. Efa fantatr’izy ireo moa ny olona hotafihina ka nivantana avy hatrany tao amin’ny valan’ombin’ny lehilahy iray izy ireo. Tsy nanaiky lembenana kosa anefa ny mponina indrindra fa ny tompon’omby. Nanohitra sy niaro ny fananany izy ka raikitra tamin’izay ny fifandonana. Nampiasa ny basiny ireo dahalo ary voatifitra tamin’izay ny zanaky ny tompon’omby ka maty. Fokonolona iray ihany koa no naratra ka nentina namonjy toeram-pitsabona ary tsy misy ahiana kosa ny ainy. Ankilan’izay, lasan’ireo mpanafika daholo ny omby rehetra ary tsy mbola misy tafaverina hatramin’izao. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ; misokatra  ihany koa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre