Fakana an-keriny tany Miandrivazo – Voavonjy ny ain’izy mirahavavy
Tsy ireo vahiny ihany na koa ireo mpanan-karem-be ihany no misy maka an-keriny. Fianakaviana manana fari-piainana antonony no nanamparan’ireo jiolahy miisa 8 ny asa ratsiny tany Miandrivazo, tamin’ny fiandohan’ity volana Aprily ity. Efa nisy ny fananana lasan’izy ireo ary nalain’izy ireo an-keriny ihany koa ny zanak’izy mivady tao an-trano. Vola mitentina 1,6 tapitrisa ariary no tambin’ny famotsorana azy roa vavy ireo, araka ny loharanom-baovao ary roa andro ny fe-potoana nomen’ ireo olon-dratsy ny ray aman-dren’ireo zaza handoavana izany, any amin’ny toerana nolazain’ireo jiolahy. Very hevitra ireo ray aman-dreny satria ny vola tsy eo an-tanana nefa ny zaza tiana havotana. Teo anatrehan’izany, nanatona ireo mpitandro filaminana izy mivady. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nanatanteraka fanarahan-dia, ireo zandary tany an-toerana. Maro ihany koa ireo fokonolona nanampy azy ireo tamin’izany. Nifankatratra ihany ny roa tonta ary avy hatrany dia nisy fifampitifirana. Teo no nahalavo ny iray tamin’ireo fokonolona mpanara-dia, izay voatifitr’ireo jiolahy. Nisy ny naratra tamin’izany fifandonana izany ka nanapa-kevitra niverina ireo mpanara-dia. Tsy nipetra-potsiny kosa anefa ireo zandary fa ny ampitso ihany dia lasa indray nanohy ny fanavotana ny ain’ireo zaza. Raikitra indray ny fifandonana saingy tsy nisy intsony ny aina nafoy. Votsitra teo an-tanan’ireo mpaka an-keriny ihany ireo zaza. Efa any amin’ny ray aman-dreniny izy ireo amin’izao fotoana izao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







