Bealanana – Dahalo iray matin’ny tompon’omby
Isan’ny faritra ahenoana halatr’omby matetika ny distrikan’i Bealanana. Vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no naharenesana izany, tao amin’ny fokontany Antsambalahy. Mahasahy tokoa raha ity lehilahy ity satria izy irery ihany no nanao ny fanafihana. Famaky sy antsy no nentiny ka tompon’omby iray tao an-tanàna no nokendreny tamin’izany. Raha vao nahita izany ity farany dia tsy nanaiky lembenana fa avy dia nanohitra sy niaro ny fananany. Olon-tokana rahateo no nifanehitra taminy ka io ihany koa no isan’ny tsy nampatahotra azy. Raikitra àry ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta ka voatsindrona antsy sy voakapa famaky ilay tompon’omby. Naratra mafy ny tenany saingy lavony kosa ilay jiolahy. Rehefa maty ilay mpangalatra vao tonga maro ny fokonolona. Tsy nahafantatra ny zava-nitranga ireo olona fa ilay tompon’omby naratra sy nitsirara tamin’ny tany no nahataitra azy ireo. Nikiropaka nitondra azy tany amin’ny mpitsabo ny olona, ny sasany kosa nampandre ny mpitandro filaminana nijery ifotony ireto farany sy naka ny razana. Tsy mbola fantatra kosa izay momba ity farany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







