Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ny teo ihany no miverina !

Mangingina tsy ahitan-teny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha tonga nitratrevatreva fatratra tamin’ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo iny. Raha tsiahivina vetivety izay raharaha izay dia nidina teny Andohatapenaka ny anao lahy niaraka tamin’ireo akanga sisa nanamborana – mba diniho kely tokoa ange e! – Ka nitabataba tamin’ireo mpiasan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany izay nandrefy tany teny an-toerana. Vava re izao, hoy ny mpihaino radio izay mandray anjara amin’ireny fandaharana misy fandraisam-pitenenana amin’ny alalan’ny telefaonina ireny. Ary dia marina tokoa izany fa tena nahazo ny anjarany, araka ny fitenenana, ingahy minisim-panjakana miadidy ireo tetik’asan’ny filoham-pirenena. Ny harivan’io andro io ihany anefa dia namaly bontana ny olona voatonontonona izay nilaza fa efa tsy an’ingahy filoha teo aloha sy ny orinasany intsony io tany io. Noporofoin’ingahy minisitra izany ny ampitso ihany satria dia nofefena iray manontolo ny toerana. Niandry ka niandry araka izany ny mpanao gazety sy ny mpanara-baovao amin’izay valinteny mety hoentin-dRavalomanana kanefa tsy nisy izany na dia indraim-bava aza. « Mila olo amin’ny raha tiàny », hoy ny maro nahatsiaro fomba fiteny iray avy any avaratry ny Nosy any. Izay ilay hoe « sendra ny nahay azy » amin’ny fiteny eto anivon-tany, hany ka kepoka tsy nahaloa-bava, hoy indray ny hafa.

Nanomboka tamin’io fotoana io izany no tsy naharenesam-peo ny filoha teo aloha ary inoana ihany koa anefa fa manaraka akaiky ny fizotran’ny raharaham-pirenena izy. Inona tokoa moa izany fa tsy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra teo aloha sy ny fanendrena ny solony. Raha mikasika iry raharaha voalohany aloha dia ekena fa inona tokoa moa no idirany amin’izany, raha tsy hoe angaha hanohana ny iray tamin’ireo azo lazaina fa mpifanandrina, izany hoe ny filoham-pirenena ankehitriny na ny lehiben’ny governemanta teo aloha. Satria tokoa ny harivan’ny zoma teo no nisy ilay filazana fa hoe tsy nametra-pialàna indray. Angamba, hoy ny mpanara-baovao, tsy te-hiditra tamin’ny pataloha tery rangahy io, eny fa na dia misy minisitra telo na efatra avy amin’ny antoko Tim no voakasika mivantana amin’ilay resaka. Raha nifindra teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny tohin’ny raharaha ny sabotsy sy alahady teo dia mbola mahakasika io antoko io ihany indray koa satria manana solombavam-bahoaka maromaro ry zareo ireto. Somary gaga anefa ny rehetra raha nahita ny filohan’ny tarika parlemantera Tim niaraka tamin’ireo solontenan’ny solombavam-bahoaka notarihan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenana izay nanolotra anarana 14 azo hisafidianan’ny filoham-pirenena ho amin’ny toeran’ny praiminisitra. Gaga tokoa satria tsy mba nisy anarana mpikatroka avy amin’ity antoko ity natolotra raha tsy hoe angaha nisy namadika palitao mangingina indray tao ka nisalotra ny akanjo misy sarin’ny dadan-dry zareo na ihany koa ny reniny! Eo amin’izay dingana izay dia mazava fa mbola tsy nahitana fihetsika indray koa ny filoha teo aloha. Marin-dratsy izany, hoy ireo mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka izay nanao amboletra hiditra ao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, satria saika i Marc Ravalomanana mihitsy no  hilatsaka kandidà ho eny Mahazoarivo saingy niahotra indray noho ny antony samihafa.

Ka raha hiroso amin’ny famindram-pahefana ary amin’ity andro ity ny praiminisitra teo aloha dia inoana marimarina fa hanaraka akaiky ny fananganana ny governemanta vaovao ity filoha teo aloha ity. Raha ireo minisitra Tim tao amin’ny governemantan-dRavelonarivo aloha dia azo lazaina avy hatrany fa isan’ny tena tsy namokatra mihitsy. Teo, ohatra, ny minisitra ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra izay tsy hita loatra izay mba asa tena vitany. Ny tena nampalaza azy aza dia ny tsy fifehezany ny ady natao tamin’ny valala satria tsy nisy fotoana mba azo lazaina fa nahavoafehy tanteraka izany loza izany. Raha ny voka-bary ihany koa, izay foto-tsakafon’ny Malagasy dia tsy afaka ny hanambara mihitsy isika fa nitombo izany ka foana hatreo, ohatra, ny fanafarana avy any ampitan-dranomasina. Ilay minisitry ny varotra indray dia toy ireny karazan’olona diso adiresy ireny hany ka ny famoretana ireo mpivarotra no tena mba angadiny sy nampalaza azy. Dia toy izany koa ilay minisitry ny tontolo iainana, ny ranomasina sy ny ala iny saingy ity farany kosa mba somary fetsifetsy ka nanova haingana ny fehi-tendany – na kravaty io – hanana loko mangamanga ranofotsiny. Rangahy ito izany dia tena nahay naka lesona tamin’ilay minisitra tamin’ny tetezamita lasa lehiben’ny faritra tany atsimotsimo tany ary amin’izao fotoana izao dia loholona indray no sady manana toeram-boninahitra ao amin’izany andrim-panjakana izany.

Dia inona tokoa àry izany no hiseho raha toa ka tapitra hatreo ny fisian’ny mpikamba Tim ao anatin’ny governemanta? Mazava ho azy fa voatery amin’izay hilaza ampahibemaso fa antoko mpanohitra nefa koa tsy maintsy manao pi-maso sy mipitrapitra amin’ny fitondrana no sady manantena fa mba ho tapitra amin’izay ny fiampitana ny tany efitra. Fantatry ny antoko Tim mantsy fa sarotra tena sarotra ho azy ny hahazo fanjakana izany amin’ny taona 2018 satria efa lasa nikopak’elatra ny mpikambana rehetra ao amin’ny antoko no sady vao maika halam-bahoaka izy ireo amin’ny fizahozahoany isaka ny mba misy hetsika kely izay tsy misy fiantraikany akory amin’ny fiainan’ny mponina, no mitavozavo be amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Ka inona moa izany fa tsy ny teo ihany no miverina ho an’ity antoko ity : tany hay lava izao!

Jean Luc RAHAGA

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre