Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambanja – Tovolahy 14 taona tratra nangalatra finday

Tovolahy iray vao 14 taona monja no tratran’ny olona nangalatra finday, tany Ambanja, omaly antoandro, tamin’ny roa ora latsaka folo minitra, tany ho any. Teo am-piresahana aman’olona tamin’izany fitaovana izany indrindra ny ramatoa iray no nosintomon’ity zazalahy ity ny finday teny an-tanany. Nikiakiaka niantso vonjy izy ka raikitra ny fanenjehana ilay zazalahy. Tsy lasa lavitra anefa dia tratran’ny fokonolona ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Na dia voaendaka aza anefa izy dia tsy nekeny ny hikasihan-tanana ilay tovolahy kely rehefa tafaverina taminy ny fananany fa nasainy nentina tany amin’ny mpitandro filaminana fotsiny. Nisy ihany ireo tsy nanaiky fa tsy maintsy namely ilay olon-dratsy tamin’ny fotoana nitondrana azy teny amin’ny manam-pahefana. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre