Analanjirofo – Lavanila maitso 1 taonina indray no sarona
Mitohy hatrany ny ady atao amin’ireo mpangalatra lavanila manta, any amin’ny faritra Analanjirofo. Izy ireo izay manimba ny kalitao ny vokatra. Noho izany, manao ny ezaka rehetra ny any anivon’ity faritra ity mba hialan’ireo zatra manao lalan-dririnina amin’io fomba io. Tao anatin’ny ady atao ihany dia lavanila tsy mbola matoy milanja 1 taonina teo ho eo no sarona tany Mahanoro sy Fenoarivo-Atsinanana, tamin’iny herinandro iny. Manoloana izany indrindra dia nandray fepetra ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, nandoro ireo lavanila ireo. « Efa mihatsara hatrany ny vidin’ny lavanila ka sarotiny ny faritra Analanjorofo manoloana ny fanapotehana izany harena izany. Ny fanarenana ny kalitaon’ny lavanila no tanjona amin’ny fandoroana tahaka izao », hoy ny Lehiben’ny Faritra. Ho fanatsarana ny kalitao ny lavanila izay hatrany dia fantatra fa amin’ity volana aprily ity no hotanterahana ny atrik’asa lavanila Analanjorofo sady fihaonana, izay hanapahana ny daty ofisialy hisokafan’ny taom-piotazana 2016 any an-toerana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







