Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Fanadiovana faobe ny torapasika

« Torapasika madio, tontolo an-dranomasina salama ho antsika jiaby », io no lohahevitra nentina nanamarihana ny fanadiovana faobe ny torapasika teny amin’ny Petite plage Amborovy, any Mahajanga, ny 2 aprily lasa teo. Fampihenana ny fako mba tsy hivarina ao anaty ranomasina indray no tanjon’ny fanadiovana, noho izy tena mahasarika ny mpizahantany ho any an-toerana. Nampiavaka ity hetsika ity ny fifanandrifiana tamin’ny famaranana ny fetin’ny haza an-dranomasina natao tany Mahajanga izay tsy afa-misaraka amin’ny torapasika, ary samy ankafizin’ny mpivahiny. Teo ihany koa ny fandraisan’anjara nataon’ireo sampan-draharaha maro isan-tsokajiny na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tamin’ity fanadiovana faobe ity.

 

Fetin’ny hazan-dranomasina

Mpisehatra amin’ny asa jono nentim-paharazana sy jono vaventy, trano fisakafoanana antonony sy lehibe, ary foibem-paritra maromaro toy  ny avy ao amin’ny harena anaty rano sy ny jono, ny ao amin’ny fizahantany, ny ao amin’ny tontolo iainana sy ranomasina no niara-nisalahy tamin’ny Faritra Boeny nanatontosa ny  fetin’ny haza an-dranomasina andiany voalohany, izay nanomboka ny 25 marsa ary tsy nifarana raha tsy ny 2 aprily lasa teo. Ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-panjonoana tao Boeny sy ho fampahafantarana ireo karazana hazan-dranomasina hananan’ny faritra ary ny fahaiza-mahandro azy, no antony nanaovana ny hetsika.

Teo ihany koa ny fampahafantarana ireo karazana haza an-dranomasina sy ny tontolon’ny jono an-dranomasina, narahina fanandramana ireo nahandro tamin’ny fomba samihafa, fifanakalozan-kevitra momba ity harena ity sy ny fitrandrahana ary ny fiarovana azy ary ny  fanadiovana torapasika.

Nangonin’i  Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre