Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Toamasina II – Mirongatra ny ambalavelona

Raha nangingina tato ho ato ny aretina ambalavelona dia nahenoina tranga indray tao amin’ny sekoly Ceg iray any Tananambo, kaominina Fanandrana, distrikan’i Toamasina II. Efa tamin’ny andron’ny sekoly no voalaza fa nahitana azy io saingy izao vao tena mirongatra izany satria mihamaro ny ankizivavy tratrany. « Very hevitra ny ray aman-drenin’ny mpianatra satria miverina mihetsika ilay aretina rehefa tonga any am-pianarana ny ankizy na dia hita izao aza fa salama », hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Manaitra ny tompon’andraikitra mahefa ireo mponina any an-toerana, manoloana ity karazan’aretina ity satria tena efa manerana ny Nosy no aharenesana azy. Aiza ny Fanjakana? Mijaly ireo ankizy Malagasy. Toa ny fiangonana hatrany mantsy no vaky loha mitady vahaolana manao fotoam-pivavahana amin’ny fanasitranana ity trangan’aretina ity fa ny Fanjakana, mangatsiatsiaka. Sa tsy valan’aretina tsy ahazoana fanampiana ara-bola avy any ivelany izy io ka tsy raharahiana?

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre