Toamasina – Lehilahy iray tratra nangalatra posy
Lehilahy iray 35 taona eo ho eo no saron’ny fokonolona nangalatra posy. Tao Andranomadio, any Toamasina no nitrangan’izany, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 3ora tany ho any. Teo am-panosehana ilay posy nivoaka ny tokontany izy no nisy nahatsikaritra. Raikitra ny tabataba sy ny antso vonjy nataon’ny olona. Nisahotaka ny iray fokontany nanenjika ity lehilahy ity ka tsy lasa lavitra akory izy dia tratra niaraka tamin’ilay fitaovana. Nisy ireo olona izay efa leo ny asa ratsy ataon’ireo mpangalatra no nikasi-tanana avy hatrany ka nandratra azy. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny manam-pahefana fa raha tsy izany, efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy, hoy ny loharanom-baovao. Naverina amin’ny tompony ilay posy fa ilay olon-dratsy kosa eo am-pelatanan’ny polisy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







