Mananjary – Levon’ny afo ny tsenan’ny tantsaha
Nandravarava ny afo tany amin’ny tsenan’ny tantsaha, tany Mananjary, manakaiky ny tobin-tsolika “Jovenna”, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 1ora tany ho any. Ora roa taty aoriana, tsy voafehy ny afo fa niredareda, nandeha nianavaratra nihazo ireo hotely gasy manodidina. Tsy nisy niraviravy tanana fa nifanampy ireo mponina tamin’ny famonoana ny afo sy namoaka ireo entana mandrapaha-tonga ireo mpamonjy voina. Tamin’ny 5ora hariva tany ho any vao maty tanteraka ny afo. Mafy ny fahavoazana ary tombanana ho an-tapitrisany maro ny teti-bidin’ny zavatra may rehetra tao. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny nahatonga ny fahamaizana satria samy manana ny fahitany ny rehetra, araka ny loharanom-baovao. Ankilany, misy ireo milaza fa fifampikasohan’ny herinaratra no anton’izany. Andaniny, misy ireo miteny fa fipoahan’ny lasantsy avy eo amin’ny mpivarotra eo amin’ny sisin’ny tsena eo no niantombohan’ny afo saingy tsy mbola voaporofo kosa ny fahamarinan’izany. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







