Antsohihy – Mpangalatra akoho saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tovolahy iray, tokony ho 25 taona any ho any no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, omaly maraina, tany Antsohihy. Saron’ireo andian-jatovo manantanteraka andrimasom-pokonolona nangalatra akoho, ny alin’ny 13 aprily teo, tokony ho tamin’ny 11ora mahery kely izy. Nofatoran’izy ireo avy hatrany teo amin’ny hazo iray teo ampovoan-tanàna ilay olon-dratsy hiandry ny andro hazava hanaovana fitsaram-bahoaka. Rehefa maraina anefa ny andro nisalasala ireo fokonolona amin’ny hoe akoho ve no handatsana ain’olona, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tonga tampoka anefa ny polisy naka azy raha mbola teo am-pisalasalana ireo fokonolona. Eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa naverina amin’ny tompony ny akoho halatra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







