Tsisy vaovao !
Mahazatra loatra an-dRamalagasy ny mifanontany vaovao raha vao mifankahita. Saika hadino mihitsy aza ny fifampiarahabana fa dia ny fangatahana vaovao no mahamaika, ka na dia mifanena im-polo izao aza ao anatin’ny indray andro dia ny vaovao ihany no voateny mialoha. Sahala amin’ny hoe misy vaovao tsy maintsy holazain’ny ankilany foana na koa tsy maintsy hanam-baovao hatrany. Ny tena marina dia ny lela mihitsy no zary efa voatefy. Mba nandinika ihany ny olon-tsotra fa angamba ny mpifankatia rehefa ao anaty fandriana sisa amin’izao fotoana izao no tsy mifanontany vaovao intsony? Mba diniho tokoa ange e! Mety tena hampihomehy tokoa izany.
Sangisangy zary tenany ihany izany fa inona tokoa àry aloha no vaovao? Dia hoy sahady ianao mpamaky, raha ianao io izao no anontaniana dia hilaza fa hoe tsy misy ka izay mihitsy no nividianako ity gazety ity!!! Raha izay no valinteny dia mazava izany ho an’ny mpanoratra fa tsy misy vaovao any ary dia izay tsy fisian’ny vaovao izay mihitsy no tena vaovao! Gaga tokoa ianao an! Marina izany satria horonan-tsarimihetsika efa nandeha daholo izay hitanao eny rehetra eny ka ahatsiarovana ilay gazety izay, izay milaza matetika hoe : ny teo ihany no miverina (TIM). Marina ange izany e! Satria raha mijery ilay antoko vaovao vao niforona iny izao isika, vao niforona nefa dia efa mitondra firenena sahady na ny marimarina kokoa, olona mitondra firenena vao mamorona antoko dia film efa nandeha izay, hoy ny ankizy. Ohatra ilay horonantsary “malok’ila” e! 14 carats nefa rehefa mijery azy ianao dia dokambarotra no betsaka mameno azy fa tsy ny tantara akory.
Dia toy izay ihany koa ny eo amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-tsosialy sy koltoraly, eny fa hatramin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena aza : tsy mbola misy aloha ny asa, mbola tsy tena misokatra ny zone, mbola mihidy ny robinet, mbola vazaha ny lehibe, mbola karana sy sinoa no manjakazaka, mbola mikatona ny làlana, mbola tapaka ny jiro, mbola maloto ny tanàna, mbola masiso ny any ambany tanàna, mbola manjaka ny tontakely, mbola mandroba ny jiolahy, mbola mampijaly ny zandary, mbola kivy ny mponina, mbola miady ny tombotsoany ny mpanao politika, mbola manondrana bois de rose, mbola krizy, mbola tsy voaloa ny saram-pianaran’ny ankizy, mbola noana ny kibo, mbola hiakatra ny vidin-dasantsy, mbola manendry mpiasam-panjakana ambony, mbola manao afera, mbola misidina ny mankany koweit sy liban, mbola mitsangana amin’ny maty ranabavy Fabiolà, mbola manolana zaza ingahibe, mbola be ny omby lasan’ny dahalo. Dia ahoana koa? Mbola resy foana ny Barea! Angaha? Satria mbola tsy niala i Ahmad na dia efa senatera aza, hoy ny mpanala azy.
Fa etsy andaniny dia mbola governemanta efa hita teo ihany no eo ka na dia nisy 7 nesorina aza tamin’ny teo aloha dia naverina indray ny 5 tamin’ny taloha be izay. Ny hiafaran’ity resaka ity aza dia mbola mety haverina indray ilay raikalahy taloha efa ela be iny, izay vao avy namoaka boky nitantara ny fomba fahitan’ny fizotran’ny toe-draharaha tamin’izany andro izany. Marina dia marina izany satria misy ny efa minisitra tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana dia io hita nitsangana tamin’ny maty io indray ilay ranamana manana endrika sy anarana vietnamianina. Dia toy izay koa ireo hafa izay nahay nilokaloka fatratra tamin’ny mpitondra teo aloha kanefa nahay namadika palitao ka io izy fa mandray andraikitra indray anaty governemanta. Ny an’ny kolotsaina aloha izao dia andrasana mafy ny vavaben’ireo artista izay mba nangataka olona efa mba mahalala ny aty vilanin’ireo mpanakanto. Indrisy fa administrateur civil no tonga ary amin’izay izato izy efa galifantsy amin’ny fanaovana politika.
Raha bangoina izany rehetra izany dia tena tsy misy tokoa ny vaovao fa ny tonta ihany no avadibadika!
Dia aleo mionona izany, sady efa zatra mionona lava, ka any amin’ny Mondial indray izany manarina amin’ny fahadisoam-panantenana. Dia azo fehezina tsotsotra tahaka izay ny raharaha misy, tsy tena hoe vaovao fa efa fantatry ny besinimaro ihany.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







