Takalon’aina tany Mahabo – Tsy navotsotra raha tsy nanome omby 20 sy vola ireo dahalo
Andian-dahalo maromaro no nidina tao amin’ny toerana antsoina hoe Sakoahitra, fokontany Manjarano, kaominina Malaimbandy, tany Mahabo, naka an-keriny ny raim-pianakaviana iray, ny 10 aprily lasa teo, tamin’ny 4ora tolakandro. Tsy voafaritra mazava ny antony fa nilaza tsy hamotsotra ilay lehilahy ireo dahalo, raha tsy mahazo omby miisa 20 sy vola 500 000 ariary avy amin’ny fianakaviana. Ankoatra izay dia hovonoina ihany koa ny lasibatra raha tsy omena azy ireo izay ilainy.
Ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro dia navotsotr’ireo olon-dratsy ilay takalon’aina satria efa voarainy ny zavatra notakiany. Tamin’izay fotoana izay kosa vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny kaloina sy ny fokonolona. Vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ireo mpanara-dia avy ao aoriany anefa ireo dahalo dia vaky nandositra namela ireo omby roapolo teo an-toerana. Araka ny fanambaran’ilay natao takalon’aina dia manana basy Mas 36 miisa 3 sy basim-borona folo ary « boites cartouches de 7.5mm » miisa 5 ireo mpangalatra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







