Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fametrahana galona – Polisy mendrika roapolo mianadahy no nahazo izany

Tontosa omaly 15 aprily, teny amin’ny tobin’ny polisy miandraikitra ny fanaraha-maso ankapobeny, eny Antanimora, ny fametrahana galona ireo polisy roapolo mianadahy mendrika indrindra. Valo mianadahy ny kaomisera ary 12 kosa ny ofisie. Manomboka izao dia betsaka ny adidy sy andraikitra miandry ireo manamboninahitra vao nahazo galona ireo. Noho izany, tokony hiezaka hatrany hitana sy hanantanteraka ny vina napetraky ny polisim-pirenena izy ireo ka tafiditra amin’izany ny ady amin’ny kolikoly, ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana mifehy ny polisim-pirenena ary ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika amin’ny endriny rehetra.  Tonga nanome voninahitra ny lanonana nisolo tena ny minisitra, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, izay notronin’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena sy ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny ministera.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre