Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohijanaka – Taksiborosy nivadika teny amin’ny lalam-by

Taksiborosy iray, marika Mazda mampitohy ny renivohitra sy Antsirabe no nivadika ambony ambany, ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany antoandro, teny amin’ny fokontany Mahaimandry, kaominina Ambohijanaka, noho ny fandehanana mafy. Nitondra mpandeha miisa 4 ny fiara, sendra nivoaka ny lalana ka nivadika teny amin’ny lalam-by, mampitohy an’Andoharanofotsy sy Ambohijanaka.

Voa mafy ilay mpamily ary voatery nosokirina mihitsy, araka ny loharanom-baovao. Nentina avy hatrany nanaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Hjra ny tenany saingy tsy misy ahiana ny ainy. Potika tanteraka kosa anefa ilay fiara, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre